NY GODRO (goutte) : NY MAHATONGA AZY SY NY TOKONY HATAO HISOROHANA AZY – FITSABOANA AZY
Ity aretina ity dia aretin’ny vanin-taolana izay matetika manaintaina tsy zaka rehefa tena mihetsika. Ny vahiny dia mamaritra fa « karazana asidra tsy mety levlon’ny vtana no mahatonga ny godro. Miangona ao amin’ny vanin-talona, izy asidra io, indrindra ao amin’ny ankiben-tongotra ».
Faikan-javatra miangona @ ra io asidra io ary amin’ny alalan’ny pipi no ahitana azy, ilay antsoina hoe « acide urique ». Rehefa maty ny sela, dia mivadika asidra ny singa sasany ao aminy, ary miangona ao amin’ny vatana io asidra io, rehefa mbola tsy tafavoaka any amin’ny pipi, ary miendrika toy ny fanjaitra kely. Miangona ao amin’ny vanintaolana izy io ary lasa mivonto sy mahamay ary maharary io vanintaolana io, ka na « vao kasihina kely dia efa manaintaina be ».
“Matetika no maharitra herinandro ilay fanaintainana, raha tsy tsaboina. Mety ho amam-bolana na aman-taonany indray ilay izy vao mihetsika. Miverina matetika kokoa izy io raha tsy voatsabo tsara, ary [mety] harary kokoa ka ho simba tanteraka ny vanin-taolana. Mety ho lasa areti-mitaiza ny godro amin’ny farany,” araky ny fanazavana nomen’ny manampahaizana aostraliana iray.
voa.